FANONTANIANA APETRAKA MATETIKA
Manana fanontaniana momba ny fomba fiasan’ireo vahaolana momba ny angovo avy amin’ny masoandro, ny safidy fandoavam-bola, ny tolotra aorian’ny fividianana, na lohahevitra hafa ve ianao?
To ianao dia hahita fampahalalana azo ampiharina momba ny vokatra Sun King, indrindra ny fametrahana azy, ny famatsiam-bola, ny safidy fividianana ary ny tombontsoa azo avy amin’ny angovo avy amin’ny masoandro!
Raha mila fampahalalana fanampiny ianao, na raha manana fanontaniana tsy voavaly eto ianao, dia contact us raha mila fanazavana misimisy kokoa.
Mifidiana lohahevitra iray
Ny fomba fiasan’ny angovo avy amin’ny masoandro
Ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro dia mbola mamokatra herinaratra na dia manjavozavo aza ny andro ary na kely aza ny tara-masoandro, saingy mihena ny vokatra azo. Amin’ny alina dia tsy mamokatra herinaratra izy ireo. Amin’izay fotoana izay, ny herinaratra ampiasaina dia avy amin’ny angovo voatahiry ao anatin’ny vatoaratra, izay nofenoina nandritra ny andro.
Ny takelaka fotovoltaika misintona ny herin’ny masoandro dia manova ny angovo avy amin’ny masoandro ho herinaratra mbola tsy voahodina, amin’ny alalan’ny vokatry ny fotovoltaika. Azo tehirizina ao anaty vatoaratra io herinaratra io mba hampiasaina any aoriana. Raha misy mpanova herinaratra mandeha amin’ny masoandro kosa ilay fitaovana, dia azo ovaina ilay herinaratra, ka ahafahany mampandeha ireo fitaovana mahazatra ao an-tokantrano, toy ny fahitalavitra, ventilatera ary vata fampangatsiahana.
Ny fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro, izay loharanon’angovo maharitra sady tsy mamoaka etona mandoto, dia mampihena ny fiankinantsika amin’ireo akora fandrehitra tsy azo havaozina, ka miaro ny tontolo iainana. Manatsara ny kalitaon’ny rivotra sy ny rano izany fiovana izany, ary manampy amin’ny fananana tontolo iainana salama kokoa.
Ny takelaka ampiasainay dia natao hahazaka hafanana avo. Na dia mety hampihena kely ny fahombiazan’ny takelaka aza ny hafanana tafahoatra, ny fametrahana azy araka ny tokony ho izy sy ny fampidirana rivotra ampy dia miantoka ny fiasany tsara sy azo itokisana.
Ny takelaka Sun King dia natao haharitra 10 taona (ho an’ny jiro sy ny fitaovana an-tokantrano mandeha amin’ny hrtin’ny masoandro), na 25 taona (ho an’ny mpanova herinaratra mandeha amin’ny masoandro), ary mety haharitra mihoatra izany raha voakarakara tsara. Rehefa mandeha ny fotoana, dia mihena tsikelikely ny fahombiazan’ny takelaka, ka very eo amin’ny 0,5 % hatramin’ny 1 % isan-taoba ny fahombiazany. Mety ilaina ny manolo azy raha mihena be ny fahombiazany na simba ka tsy azo amboarina intsony.
Eny. Ny rafitra rehetra anananay, rehefa mifandray amin’ny vatoaratra mpanara-maso ny takelaka, dia mbola manohy mameno ny vatoaratra mandritra ny andro, mba hahafahana mampiasa herinaratra mandritra ny fahatapahan-jiro.
Ny fitaovana mpanova herinaratra PowerPlay sy PowerHub dia natao ho rafitra mifangaro. Midika izany fa afaka maka angovo avy amin’ny masoandro sy avy amin’ny tambajotran-jiro izy ireo. Rehefa tapaka ny herinaratra avy amin’ny tambajotran-jiro, dia afaka manohy mameno ny vatoaratra avy amin’ny takelaka ny mpampiasa mandritra ny andro, na mampiasa ny angovo efa voatahiry ao anaty vatoaratra, izay miantoka ny famatsiana herinaratra tsy tapaka.
Momba ny Sun King
Ny vokatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro avy amin’ny Sun King dia hita any amin’ny firenena mihoatra ny 40 maneran-tany, any Afrika, Azia, Eoropa ary Amerika Latina.
Niorina ara-panjakana tamin’ny taona 2009 i Sun King ary efa niasa nandritra ny 15 taona.
Ny tanjon’ny Sun King dia ny hanome fahafahana ny olona hanana fiainana mazava kokoa. Sun King dia mamolavola, mizara, mametraka ary mamatsy vola vokatra angovo avy amin’ny masoandro ho an’ny olona 1,8 lavitrisa izay miaina amin’izao fotoana izao nefa tsy tsy manana angovo azo antoka.
Fiantraikany amin’ny lazambidin’ny herinaratra
Amin’ny ankapobeny, ny lazambidin’ny herinaratra dia kajiana arakaraka ny habetsahan’ny angovo nampiasainao sy ny sarany alain’ny mpamatsy isaky ny kilowatt-ora (kWh). Miankina amin’ny fampiasanao sy ny sara napetraky ny mpamatsy herinaratrao ny totalin’ny vola aloanao. Miovaova arakaraka ny firenena ny rafitra fametrahana sarany, saingy ny karazany roa tena fahita dia ny fandoavana mialoha sy ny fandoavana aorian’ny fampiasana herinaratra.
Ny saram-kerinaratra aloa mialoha dia ahafahan’ny mpampiasa mividy herinaratra mialoha, ka afaka mampiasa herinaratra izy mandra-pahalany izany. Ny herinaratra aloa aoriana kosa dia aloan’ny mpampiasa arakaraka ny tena habetsahan’ny herinaratra nampiasaina na ny tombana momba izany. Raisina an-tsoratra ny tarehimarika eo amin’ny kaintera mba hikajiana ny sarany amin’ny faran’ny vanim-potoana fandoavana tsirairay.
Ny fametrahana mpanova herinaratra mandeha amin’ny masoandro Sun King, toy ny PowerPlay Pro sy PowerHub, dia afaka mampihena be ny lazambidin’ny herinaratrao noho ny fampiasana angovo avy amin’ny masoandro. Ireo rafitra ireo dia mifangaro, izany hoe afaka maka angovo avy amin’ny masoandro sy avy amin’ny tambajotran-jiro. Azo amboarina ihany koa izy ireo mba hanome ho azy ny laharam-pahamehana ny famenoana amin’ny angovo avy amin’ny masoandro fa tsy ny herinaratra avy amin’ny tambajotra, mba hampitomboana ny fitsitsiana.
Fisafidianana ny vahaolana avy amin’ny masoandro mety aminao
Ao amin’ny Sun King, manomboka amin’ny fanombanana ny filanao angovo sy ny fomba fampiasanao herinaratra izahay, mba hahafahana manoro ny mpanova herinaratra, ny takelaka ary ny vatoaratra mety aminao. Mampiasa fitaovana fanombanana ny haben’ny rafitra ilaina ny ekipanay ary manao fitsidihana fohy eny an-toerana, raha ilaina, mba hanamarinana raha azo tanterahina ny fametrahana azy. Hanoro rafitra mifanaraka amin’ny filanao ireo manam-pahaizana momba ny angovo avy amin’ny masoandro.
Ny rafitra solaire an-tokantrano Sun King (HomePlus) dia vahaolana mora ampiasaina sy mitsitsy ho an’ny fampiasana ivelan’ny tambajotran-jiro, indrindra ho an’ny jiro, famahanana finday ary fahitalavitra Sun King, arakaraka ny haben’ny vatoaratra. Etsy ankilany, ny rafitra mpanova herinaratra PowerHub sy PowerPlay Pro dia natao hampandeha fitaovana lehibe kokoa, toy ny fahitalavitra, vata fampangatsiahana ary lafaoro, ary miankina amin’ny haben’ny rafitra ny fahafahany mamatsy ireo fitaovana ireo. Ny rafitra onduleur rehetra anananay dia mampiasa teknolojia mifangaro, ka maka angovo avy amin’ny masoandro sy avy amin’ny tambajotran-jiro mba hiantohana famatsiana herinaratra azo itokisana.
Fampiasana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro na fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny tokantrano Sun King
Tsy maintsy ampifandraisinao amin’ny jiro na amin’ny fitaovana ho an’ny tokantrano mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny takelaka mba hahazoana fahana herinaratra. Ny jiro Sun King Pico dia efa manana takelaka ao anatiny.
Raha tratran’ny tara-masoandro mivantana ny panneau solaire, dia hanomboka hipipika ny jiro famantarana an’ilay jiro na fitaovana ho an’ny tokantrano; izany dia midika fa eo am-pamenoana herinaratra izy. Ny famantarana ny hamafin’ny tara-masoandro dia hampiseho ny hafainganam-pamenoan’ilay fotaovana herinaratra.
Ny takelaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro rehetra vokarinay dia mahazaka rano ary azo apetraka tsara eo ambony tafo. Ny jironay mandeha amin’ny herin’ny masoandro koa dia mahazaka rano, izany hoe raha tratran’ny rano kely izy ireo, hamainina fotsiny izy dia azo ampiasaina indray. Aza adino mihitsy ny manamaina tanteraka ny jironao mandeha amin’ny herin’ny masoandro alohan’ny hampiasana azy indray.
Ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitaovana ho an’ny tokantrano Sun King dia natao hamahanana herinaratra fitaovana isan-karazany, saingy samy manana ny fahafahany mameno herinaratra izy ireo. Ny jiro dia afaka mamahana finday tsotra ihany, fa ny sasany amin’ireo fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny tokantrano kosa dia afaka mameno finday avo lenta, eny na dia fitaovana lehibe aza. Miangavya nao mba hitsidika ny pejin’ny vokatra tsirairay ao amin’ity tranonkala ity mba hahafantarana hoe karazana fitaovana inona avy no azon’ny vokatra Sun King iray manokana fahanana herinaratra. Mariho fa tsy tokony hanandrana hamahana fitaovana iray mivantana amin’ny alalan’ny takelaka mihitsy ianao. Na dia mety ho toa mameno herinaratra aza ny fitaovana sasany rehefa ampifandraisina amin’ny takelaka, dia tsy mamahana amin’ny fomba mahomby ny vatoaratra ary mety hanomba fitaovana izany.
Ny jironay sy ny fitaovana ho an’ny tokantrano rehetra dia mampiasa vatoaratra avo lenta. Tokony haharitra dimy taona ny vatoaratra ampiasain’ny jironay. Ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro vaovao ho an’ny tokantrano, dia ny andiany HomePlus, dia ahitana vatoaratra izay tokony haharitra hatramin’ny folo taona.
Azo vidiana amin’ny alalan’ny solontena, mpivarotra na mpaninjara Sun King eo an-toerana ny tariby sy ny takelaka solony. Raha mbola ao anatin’ny fe-potoana fiantohana ny fitaovanao, dia hosoloin’ny Sun King na hamboariny maimaim-poana izany. Marihina fa ny fahasimbana mivantana rehetra na ny fanovana natao tamin’ilay fitaovana dia manafoana ny fiantohana.
Ny vokatra Sun King rehetra dia voarakotry ny fiantohana voafetra mandritra ny fe-potoana voafaritra. Jereo ny karatra fiantohana nomena miaraka amin’ny fitaovanao, na mifandraisa amin’ny Sun King, amin’ny mpaninjara eo an-toerana na amin’ny mpandraharaha ara-barotra anao raha mila fanazavana fanampiny.
Fiantraikan'ny toetr'andro amin'ny fahombiazan'ny angovo masoandro
Raha mipetraka amin’ny faritra be rivotra ianao, matokia fa natao hahazaka izany toe-javatra izany ny fametrahana Sun King. Ny rafitray dia apetraky ny matihanina voaofana sy mahafeno fepetra, izay mampiasa teknika fametrahana sy rafitra famatorana azo antoka. Izany dia miantoka fa mijanona ho marin-toerana sy voaaro tsara ny takelaka masoandro, na dia amin’ny rivotra mahery aza.
Ankoatra izany, mety hahasoa ny rafitra ny rivotra satria mampangatsiaka ny takelaka masoandro, izay mety hampitombo ny fahombiazany. Laharam-pahamehana ho an’ny Sun King ny faharetana sy ny fahombiazan’ny fametrahana ny rafitra masoandro amin’ny toe-javatra rehetra.
Afaka mamokatra herinaratra ihany koa ny takelaka masoandro na dia tsy mahazo tara-masoandro mivantana aza. Na dia manatsara ny fahombiazan’ny takelaka aza ny tara-masoandro mamirapiratra, dia mbola mamokatra herinaratra ihany izy ireo na dia amin’ny andro manjombona aza.
Fanohanana sy fikarakarana aorian'ny fametrahana
Raha manana fanontaniana na olana aorian’ny fametrahana ny rafitra masoandro Sun King anao ianao, dia afaka mifandray amin’ny ekipan’ny fanohanana anay eto.
Mariho fa mihena ny serivisy omenay mandritra ny andro fety nasionaly na andro tsy fiasana.
Ny rafitra Sun King rehetra dia miaraka amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampiasa izay manazava amin’ny antsipiriany ireo singa mandrafitra azy, ny fomba fiasany ary ireo fiasa fanaraha-maso. Faly foana ny ekipan’ny fanohanana anay hamaly ny fanontanianao sy hanome fampahalalana fanampiny.
Afaka mifandray amin’ny ekipan’ny fanohanana anay eto ianao.
Raha tsy afa-po amin’ny serivisy ianao, mifandraisa amin’ny ekipan’ny serivisy ho an’ny mpanjifa Sun King amin’ity pejy ity.
Handinika ny olanao izy ireo ary hiezaka hamaha haingana izay olana rehetra.
Raha te hametraka fitarainana ianao, mifandraisa amin’ny ekipan’ny fanohanana ny mpanjifa Sun King amin’ny alalan’ny laharana finday +261 32 32 555 55, na amin’ny alalan’ny ity endrika ity. Hanadihady ny olanao izy ireo ary hiantoka ny hahitana vahaolana mahafa-po. Azonao atao ihany koa ny mitatitra ny fitarainanao eto.
Manome fikojakojana isan-taona ho an’ireo mpanjifa manana inverter masoandro novidiana tamin’ny Sun King izay mbola ao anatin’ny fe-potoana fiantohana ny Sun King. Ao anatin’izany serivisy izany dia manadio ny takelaka masoandron’ny mpanjifa ny Sun King.
Tokony hifandray amin’ny mpiasan’ny varotra Sun King eo an-toerana na amin’ny fivarotana Sun King eo an-toerana ny mpanjifa manana rafitra masoandro ho an’ny tokantrano mba hangataka fitsidihana hanampiana amin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny takelaka masoandro.
Tsara ny manadio ny takelaka masoandro isaky ny telo volana mba hiantohana ny fahombiazan’ny famahanana. Any amin’ny faritra tena be vovoka, mety mila manadio matetika kokoa ny mpanjifa amin’ny fampiasana lamba sy rano tsotra.
Manoro hevitra mafy izahay mba tsy hampidi-doza ny tenany ny mpanjifa amin’ny fiakarana eny ambony tafo na toerana mitovitovy amin’izany hanadiovana ny takelaka masoandro raha tsy manana fitaovana fiarovana sy fahalalana ilaina amin’izany.
Garantie, famahana olana ary fitaterana olana
Raha tsy mandeha intsony ny vokatrao, mifandraisa amin’ny ekipan’ny fanohanana Sun King eto. Hanampy anao hamantatra sy hamaha ny olana izy ireo ary handamina ny fanamboarana na fanoloana izany raha ilaina.
Eny, mbola afaka mahazo fanohanana ara-teknika avy amin’ny Sun King ianao na dia efa tapitra aza ny fe-potoana fiantohana. Mety hisy sarany fanampiny ho an’ny serivisy sy fanamboarana atao aorian’ny fe-potoana fiantohana, saingy hanampy anao amin’ny olana ara-teknika rehetra sendra anao ny ekipan’ny Sun King.
Afaka mifandray amin’ny ekipan’ny fanohanana anay eto ianao.