
Jiro masoandro

Inona no atao hoe jiro masoandro?
Jiro masoandro mora vidy sy azo entina, ahitana jiro sy famahanana finday, natao hampiasaina eny an-dalana. Ny jiron’ny Sun King dia misy karazany maro, manomboka amin’ny jiro tsotra mandeha amin’ny masoandro ka hatramin’ny modely maoderina misy jiro mitambatra, famahanana finday, radio ary fihainoana mozika.
Natao ho mora ampiasaina ny jiro masoandronay. Ny fitoerany dia mamadika ny jiro ho fanilo, jiro birao, na jiro mitsangana. Ny jiro tsirairay dia manana fomba firehetana telo samihafa mba hifanaraka amin’ny toe-javatra samihafa, na mba hitsitsiana herinaratra.
Ny jiron’ny Sun King dia natao ho matanjaka sy maharitra, mety amin’ny toerana rehetra.
Afaka mampiasa USB hamahanana finday tsotra ny jiro masoandro rehetra an’ny Sun King, izay ahafahanao mifandray hatrany, na aiza na aiza misy anao.

