
Rafitra masoandro an-trano

Inona ny rafitra masoandro an-trano?
Rafitra masoandro eny an-tampon-trano izay manome herinaratra ho an’ny jiro, finday, ary vokatra mifanaraka amin’ny famatsiana herinaratra toy ny fahitalavitra sy vantilatera.
Natao ho an’ny mpanjifa tsy manana na tsy afaka miantehitra amin’ny tambajotran-kerinaratra, ireo rafitra ireo dia manome hazavana sy herinaratra ilaina ho an’ny trano sy orinasa.
Ireo karazana rafitra masoandro an-trano misy aminay
HomePlus
HomePlus Pro
HomePlus Max
Fantaro ireo Rafitra Fampiasana Masoandro ho an'ny Trano
Ny rafitra rehetra dia misy jiro maoderina sy “interrupteurs” azo apetraka amin’ny rindrina, izay manome safidy mamiratra kokoa sy azo antoka kokoa ho solon’ny jiro solitany sy labozia
10 taona ny faharetan’ny vatoaratra raha ampiasaina isan’andro (mihoatra ny 2.500 tsingerina). Namboarina mba haharitra.
Mitsitsy angovo miaraka amin’ny fahazavana azo amboarina ho an’ny tara-masoandro ambany na fampiasana amin’ny alina
Ny rafitra masoandro ho an’ny trano Sun King rehetra dia misy antoka roa taona.


